التصنيفات
القرآن الكريم

المختصر في التفسير malagasy سورة [آل عمران]

۞إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰٓ ءَادَمَ وَنُوحٗا وَءَالَ إِبۡرَٰهِيمَ وَءَالَ عِمۡرَٰنَ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ

المدغشقرية | malagasy

Tena marina fa i Tompo Allah dia efa nisafidy ani Mpaminany Adam (A.s), ka nasainy niondrika Taminy teo avokoa ireo Anjeliny ary nisafidy ani Mpaminany Noah (A.s) ihany koa Izy, ka nataony ho Iraka voalohany nalefany teto an-tany mba ho anny Olombelona rehetra teto an-tany ary nisafidy ny taranakani Mpaminany Ibrahim (A.s) koa Izy, ka napetrany taminny taranany avokoa ny faminaniana, ary nisafidy ny taranakani Mpaminany Imran koa Izy, ka izy rehetra ireny dia nosafidiny avokoa ary nasongadiny manokana manoloana anireo Olona sy vahoaka taminny vaninandronizy ireo.

ذُرِّيَّةَۢ بَعۡضُهَا مِنۢ بَعۡضٖۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ

المدغشقرية | malagasy

Ireo Mpaminany rehetra izay voalaza ireo sy ny taranakizy ireo izay nanaraka ny sori-dalanizy ireo dia taranaka nifandimby avokoa taminny fanokanana ani Tompo Allah sy fanaovana ny asa soa ka dia nifandova toetra tsara avokoa izy ireo sy ny fahamendrehana ka i Tompo Allah dia maheno ny teninireo mpanompony ary mahalala sy mahafantatra ny asanizy ireo ihany koa ka noho izany dia mifidy sy mifantina izay sitrany aminizy ireo Izy.

إِذۡ قَالَتِ ٱمۡرَأَتُ عِمۡرَٰنَ رَبِّ إِنِّي نَذَرۡتُ لَكَ مَا فِي بَطۡنِي مُحَرَّرٗا فَتَقَبَّلۡ مِنِّيٓۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ

المدغشقرية | malagasy

Tsarovy ry Iraka mahafatokinny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a), rehefa niteny ny vadini Imran Renini Maryam ka nanao hoe : Tompo ô ! Noraisiko ho adidy aminny Tenako mihitsy ny hanokana ny Zaza ao am-kiboko ho Anao irery ihany, tsy hampanaovin-draharaha mba hanompoany Anao sy hikarakarany ny tranonao koa mba raiso avy Amiko izany (voady izany) fa tena marina fa Ianao tokoa ilay maheno ny hatako no sady mahalala ny fikasako.

فَلَمَّا وَضَعَتۡهَا قَالَتۡ رَبِّ إِنِّي وَضَعۡتُهَآ أُنثَىٰ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا وَضَعَتۡ وَلَيۡسَ ٱلذَّكَرُ كَٱلۡأُنثَىٰۖ وَإِنِّيسَمَّيۡتُهَا مَرۡيَمَ وَإِنِّيٓ أُعِيذُهَا بِكَ وَذُرِّيَّتَهَا مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ ٱلرَّجِيمِ

المدغشقرية | malagasy

Rehefa feno ny vohokany ka niteraka anilay tao an-kibony Izy, dia niteny Izy sady niala tsiny satria nanantena Izy fa tokony ho lahy ilay Zaza tao am-bohokany, dia hoy Izy nilaza taminny Tompo Allah ka nanao hoe : Tompo ô ! Teraka vavy Aho fa i Tompo Allah kosa anefa no mahalala indrindra izay naterany (naterakanilay vehivavy) ary ny lahy izay niriny sy nantenainy dia tsy mitovy aminilay vavy izay nomena Azy, aminny tanjaka sy ny toe-batana ary (hoy izy hoe :) nataoko Maryam ny anarany ary nangata-piarovana ho azy sy ny taranany Aho avy Aminao, mba hiaro azy aminny satana ilay voaroaka aminny indrafonao.

فَتَقَبَّلَهَا رَبُّهَا بِقَبُولٍ حَسَنٖ وَأَنۢبَتَهَا نَبَاتًا حَسَنٗا وَكَفَّلَهَا زَكَرِيَّاۖ كُلَّمَا دَخَلَ عَلَيۡهَا زَكَرِيَّا ٱلۡمِحۡرَابَ وَجَدَعِندَهَا رِزۡقٗاۖ قَالَ يَٰمَرۡيَمُ أَنَّىٰ لَكِ هَٰذَاۖ قَالَتۡ هُوَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٍ

المدغشقرية | malagasy

Ka dia nankatoavini Tompo Allah taminny fankatoavana tsara ny voady izay nataony ary nobeaziny taminny fanabeazana tsara ihany koa Izy, ary nataony nangoraka Azy avokoa ny Fonireo mpanompo tsarany, ary nomeny ani Mpaminany Zakaria (A.s) ny fitaizana Azy ary isakinny Izy miditra ao Aminy i Mpaminany Zakaria (A.s), ao aminny toeranny fanompoana, dia mahita anjara tsara voahomana ao Aminy foana Izy, ka hoy izy mantsy miteny Azy hoe : Ô ry Maryam ! anga avy taiza no nahazahoanao anizao zavatra izao ? dia hoy Izy namaly azy hoe : Io dia anjara avy amini Tompo Allah, tena marina fa i Tompo Allah dia manome anjara aminizay rehetra tiany sy sitrany, ka anjara masoandrom-pivelomana mivelatra sy midadasika ka tsy misy fanisana.

وَإِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَـٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ ٱصۡطَفَىٰكِ وَطَهَّرَكِ وَٱصۡطَفَىٰكِ عَلَىٰ نِسَآءِ ٱلۡعَٰلَمِينَ

المدغشقرية | malagasy

Ary tsarovy ry Iraka mahafatokinny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a) rehefa niteny ireo Anjely mantsy ani Maryam ka niteny nanao hoe : Tena marina fa i Tompo Allah no efa nisafidy Anao nohonny fanananao toetra mendrika, ary nanadio Anao tanteraka koa Izy aminny fahabangana rehetra izay nisy, ary mbola nisafidy Anao teo anatrehanireo vehivavy rehetra izay nisy taminizao tontolo izao, aminny vaninandro izay misy Anao.

يَٰمَرۡيَمُ ٱقۡنُتِي لِرَبِّكِ وَٱسۡجُدِي وَٱرۡكَعِي مَعَ ٱلرَّـٰكِعِينَ

المدغشقرية | malagasy

Ry Maryam ! Mijoroa maharitra anatinny fanaoavana sy fanatanterahana ny fanompom-pivavahana Soalat ka dia mba miankohofa aminny Tomponao Ianao, ary mihondrefa Aminy miaraka aminireo mpanompony tsara mpiondrika Aminy.

ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهِ إِلَيۡكَۚ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ يُلۡقُونَ أَقۡلَٰمَهُمۡ أَيُّهُمۡ يَكۡفُلُ مَرۡيَمَ وَمَا كُنتَلَدَيۡهِمۡ إِذۡ يَخۡتَصِمُونَ

المدغشقرية | malagasy

Ka izany rehetra izany no voalaza mahakasika ny tantarani Mpaminany Zakaria (A.s) sy Maryam ka izany tokoa dia anisanireo vaovao miafina izay nambaranay Anao ry Mpaminany (s.w.a) fa tsy teo akaikinireo manam-pahaizana sy ny Olona tsara ireo akory Ianao, taminny fotoanizy ireo nifanditra ny aminizay mendrika kokoa hitaiza ani Maryam, hany ka niverina taminny ankitsapaka izy ireo ary nanipy ny peniny avy, ka ny penini Mpaminany Zakaria (A.s) no nivoaka nandresy.

إِذۡ قَالَتِ ٱلۡمَلَـٰٓئِكَةُ يَٰمَرۡيَمُ إِنَّ ٱللَّهَ يُبَشِّرُكِ بِكَلِمَةٖ مِّنۡهُ ٱسۡمُهُ ٱلۡمَسِيحُ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ وَجِيهٗا فِيٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ

المدغشقرية | malagasy

Tsarovy ry Iraka mahafatokinny Tompo Allah i Mpaminany (s.w.a), rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : Ry Maryam ! Tena marina fa i Tompo Allah dia manome vaovao tsara ho Anao, dia ny ahazoanao Zanaka, izay nohariana tsy misy Ray, fa aminny alalanny teny avy amini Tompo Allah fotsiny, dia ny fitenenany Aminy hoe :  Misia , dia hiforona Zaza izy, nohonny herini Tompo Allah, ary ny anaranizany Zazalahy izany dia : Al-Masiih Issa Zanakani Maryam. hanana toerana ambony izy eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisanireo akaikini Tompo Allah ilay Avo indrindra.

وَيُكَلِّمُ ٱلنَّاسَ فِي ٱلۡمَهۡدِ وَكَهۡلٗا وَمِنَ ٱلصَّـٰلِحِينَ

المدغشقرية | malagasy

Ary hiresaka aminOlona Izy raha mbola fony Zaza kely tsy tokony mbola ahay hiteny, ary hiresaka aminizy ireo ihany koa rehefa Izy tonga ambaratonganOlon-dehibe ka tena tafiditra ao anatinny fahatanjahany feno, ary hitory aminizy ireo ny filazan-tsara izay mahasoa azy ireo momba ny finoanizy ireo sy ny fiainanizy ireo eto an-tany ary Izy dia anisanireo Olona tsara, na aminny teniny izay nataony aminizy ireo na ny aminny asa nataony aminizy ireo.

قَالَتۡ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي وَلَدٞ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٞۖ قَالَ كَذَٰلِكِ ٱللَّهُ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرٗا فَإِنَّمَايَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ

المدغشقرية | malagasy

Dia hoy i Maryam am-pahagagana nanao hoe : hanan-janaka tsy misy vady, ahoana no hananako zanaka nefa tsy mbola nisy lehilahy niaraka tamiko, na ara-pomba (fanambadiana) na tsy ara-pomba (fijangajangana) ?! Dia niteny taminy ilay Anjely nanao hoe : Tahaka ny fanamboarani Allah zanaka tsy misy ray ho anao ny fanamboarani Allah izay sitrany aminireo zavatra mahagaga sy tsy fahita, ka rehefa mila zavatra iray Izy dia miteny Izy hoe : Misia, dia misy avy hatrany izany ary tsy misy zavatra tsy vitany.

وَيُعَلِّمُهُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ

المدغشقرية | malagasy

Ary i Tompo Allah no hampianatra Azy ny hanoratra sy hanana fomba fijery marina ary hiteny sy hiasa am-pahitsiana ihany koa Izy, ary hampianariny Azy avokoa ny zava-drehetra ao aminny Boky Taorah izay Boky nampidininy Tompo Allah tamini Mpaminany Mossa (A.s), ary hampianariny Azy ihany koa ny Boky masina Evandjily Boky izay mbola ho hampidininy Aminy manokana ihany.