وَبِكُفۡرِهِمۡ وَقَوۡلِهِمۡ عَلَىٰ مَرۡيَمَ بُهۡتَٰنًا عَظِيمٗا
المدغشقرية | malagasy
Nohon‘ny fikomian’izy ireo dia noroahinay izy ireo amin’ny hinakinaka (voahozona), ary koa nohon‘ny fanendrikendrehan’izy ireo an’i Maria(AS) amin’ny fijangajangana, izay lainga sy fanosoram-potaka tsy rariny.
يَـٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لَا تَغۡلُواْ فِي دِينِكُمۡ وَلَا تَقُولُواْ عَلَى ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡحَقَّۚ إِنَّمَا ٱلۡمَسِيحُ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَ رَسُولُٱللَّهِ وَكَلِمَتُهُۥٓ أَلۡقَىٰهَآ إِلَىٰ مَرۡيَمَ وَرُوحٞ مِّنۡهُۖ فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرُسُلِهِۦۖ وَلَا تَقُولُواْ ثَلَٰثَةٌۚ ٱنتَهُواْ خَيۡرٗا لَّكُمۡۚ إِنَّمَاٱللَّهُ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ سُبۡحَٰنَهُۥٓ أَن يَكُونَ لَهُۥ وَلَدٞۘ لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَكِيلٗا
المدغشقرية | malagasy
O ry iraka ! Lazao amin’ireo Kristianina sy ireo olon’ny Evanjely hoe : aza mihoam-pefy ianareo amin’ny Finoanareo ary aza miteny am-panoherana an’I Allah momba ny rahahan’i Jesoa afa-tsy ny marina ihany. Tena marina fa i Mesia Jesoa,zanak’i Maria dia tsy inona fa irak’I Allah, izay nalefany amim-pahamarinana. Izy izay namboarin’I Allah,tamin’ny teniny izay nanirahany ny Anjely Gabriely tany amin’i Maria. Izany dia ny fitenenany hoe : ”Misia, dia nisy tokoa ! Izay fitsiohana indray mandeha avy amin’I Allah, nampanaoviny an’i Anjely Gabriely. Ka noho izany dia minoa an’I Allah sy ireo Irany tsy ankanavaka ianareo, fa aza manavakavaka. Ary aoka ianareo tsy hiteny hoe : Anankitelo ny Tompo. Hatsaharo ity fitenenana lainga sady ratsy ity. Ny fitsaharanareo amin’ny fanaovana izany dia tsara kokoa ho anareo eto an-tany sy any ankoatra. Satria tokana ihany I Allah, izay tsy mendrika Azy ny hanana sakaiza na hanan-janaka. Satria Manan-karena sady Mahaleo tena Allah, ho Azy ny fanjakana any an-danitra sy eto an-tany ary koa eny anelanelan’izy roa. Izay rehetra mahakasika ny Lanitra sy ny Tany dia noho I Allah no mampijoro azy mahitsy ary ny fitantanana azy.
