لَّقَدۡ كَفَرَ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡمَسِيحُ ٱبۡنُ مَرۡيَمَۚ قُلۡ فَمَن يَمۡلِكُ مِنَ ٱللَّهِ شَيۡـًٔا إِنۡ أَرَادَ أَن يُهۡلِكَٱلۡمَسِيحَ ٱبۡنَ مَرۡيَمَ وَأُمَّهُۥ وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗاۗ وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَاۚ يَخۡلُقُ مَايَشَآءُۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
المدغشقرية | malagasy
Tena tsy mpino mihitsy ireo Kristianina izay miteny fa tena Zanahary tokoa ilay Mesia zanak’i Maria. Lazao azy ireo, oh ry Iraka : Iza no mahavita manakana an’I Allah raha tia hanapotika an’i Mesia zanak’i Maria,sy ny Reniny ary izay rehetra ambonin’ny tany, raha toa ka ilainy ny fanapotehana izany ?! Fa raha toa ka tsy misy na iray aza afaka handrara Azy avy amin’izany, dia manaporofo izany fa “Tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy Tompo Allah”ary ny rehetra : Jesoa Zanak’i Maria sy ny Reniny ary ireo zava-boaary rehetra dia zava-boaarin’I Tompo Allah (swt) daholo. Ka ho an’I Allah irery ihany ny fanjakan’ny Lanitra sy ny Tany, ary izay eo anelanelan’izy roa ireo. Allah no manamboatra izay zavatra tiany, ary anisan‘ny olombelona izay tiany namboarina dia i Jesosy (AS); izy dia mpanompon’I Allah no sady Irany, ary hamafisina fa Mahefa ny zava-drehetra I Allah.
مَّا ٱلۡمَسِيحُ ٱبۡنُ مَرۡيَمَ إِلَّا رَسُولٞ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِهِ ٱلرُّسُلُ وَأُمُّهُۥ صِدِّيقَةٞۖ كَانَا يَأۡكُلَانِ ٱلطَّعَامَۗ ٱنظُرۡكَيۡفَ نُبَيِّنُ لَهُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ ثُمَّ ٱنظُرۡ أَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ
المدغشقرية | malagasy
Mesia,Jesoa zanak’i Maria,dia tsy inona fa iray amin’ireo Iraka,ho faty koa izy tahak’ireo talohany. Ary ny Reniny dia Maria –AS-,izay olo-marina tokoa sy mpanamarina. Ary samy nihinana sakafo izy roa ireo,noho ny filan’izy ireo izany. Ahoana àry no hatonga azy roa ho Tompo nefa mitady sakafo izy ireo? ! Jereo amim-pandinihana tsara –ry Iraka-:Ahoana ny fomba hanazavanay amin’izy ireo ny porofo manambara ny maha-tokana an’I Allah,ary ny fanafoanana izay rehetra nataony amin’ny fihoaram-pefy,amin’ny fiantsoana zanahary ankoatran’ilay avo indrindra. Nefa mandà an’ireo porofo ireo,izy ireo. Ary avy eo,dia diniho tsara: Ahoana ny fivadihan’izy ireo amin’ny lalana amin’ny fahamarinana eo anatrehan’ireto porofo miharihary ireto,izay manambara ny maha-tokana an’I Allah.
إِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ ٱذۡكُرۡ نِعۡمَتِي عَلَيۡكَ وَعَلَىٰ وَٰلِدَتِكَ إِذۡ أَيَّدتُّكَ بِرُوحِ ٱلۡقُدُسِ تُكَلِّمُ ٱلنَّاسَفِي ٱلۡمَهۡدِ وَكَهۡلٗاۖ وَإِذۡ عَلَّمۡتُكَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَۖ وَإِذۡ تَخۡلُقُ مِنَ ٱلطِّينِ كَهَيۡـَٔةِ ٱلطَّيۡرِبِإِذۡنِي فَتَنفُخُ فِيهَا فَتَكُونُ طَيۡرَۢا بِإِذۡنِيۖ وَتُبۡرِئُ ٱلۡأَكۡمَهَ وَٱلۡأَبۡرَصَ بِإِذۡنِيۖ وَإِذۡ تُخۡرِجُ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِيۖ وَإِذۡكَفَفۡتُ بَنِيٓ إِسۡرَـٰٓءِيلَ عَنكَ إِذۡ جِئۡتَهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡهُمۡ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
المدغشقرية | malagasy
Ary tsarovy rehefa niteny I Allah tamin’ny fotoana niresahana tamin’i Jesoa –AS- nanao hoe : oh Jesoa zanak’i Maria, tsarovy ny fahasoavako aminao rehefa nohariako ianao tsy nisy ray ary tsarovy ihany koa ny fanasoavako ny Reninao Maria -AS- rehefa nosafidiko izy tamin’ireo vehivavy tamin’ny fotoanany, ary tsarovy ihany koa ny fanasoavako anao rehefa nomeko hery ianao tamin’ny alalan’ny Gabriely –AS-, niteny tamin’ny olona ianao fony mbola zazamena tamin’ny fiantsoana azy ireo ho any amin’I Allah ary niteny tamin’izy ireo ihany koa ianao tamin’ny ianao efa lehibe tamin’izay nandefasako anao tamin’izy ireo. Ary ny fanasoavako anao tamin’ny fampianarako anao ny soratra sy ny fampianarako anao ny Taoraty izay nampidiniko tamin’i Mosesy –AS- ary ny Evanjely izay nampidiniko taminao ary koa ny fampianarako anao ny tsiambaratelon’ny lalàna sy ny tombontsoa amin’izany ary ny fepetrany. Ary anisany zavatra nanasoavako anao ihany koa dia ny fanamboaranao endrika vorona avy tamin’ny tany manga ary nasinao fofon‘aina izany ka dia lasa vorona tokoa izany, ary nanasitrana ny teraka jamba avy tamin’ny hajambany koa ianao, nanasitrana ny boka ihany koa ianao ka tonga salama tsara ny hodiny. Ianao ihany koa dia namelona ny maty tamin’ny alalan’ny fangatahanao tamin’I Allah ny hamelona azy ireo ary izany rehetra izany dia tamin’ny alalako daholo. Ary mbola noho ny fanasoavako anao ihany koa no niarovako anao tamin’ny zanak’Israely rehefa nikasa hamono anao izy ireo tamin’ny fotoana nahatongavanao tamin’izy ireo nitondra ireo fahagagana miharihary. Nefa tsy misy nino izany mihitsy izy ireo, ka niteny nanao hoe : io zavatra izay noentin’i Jesoa io dia tsy inona fa,majika miharihary.
وَإِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ ءَأَنتَ قُلۡتَ لِلنَّاسِ ٱتَّخِذُونِي وَأُمِّيَ إِلَٰهَيۡنِ مِن دُونِ ٱللَّهِۖ قَالَ سُبۡحَٰنَكَمَا يَكُونُ لِيٓ أَنۡ أَقُولَ مَا لَيۡسَ لِي بِحَقٍّۚ إِن كُنتُ قُلۡتُهُۥ فَقَدۡ عَلِمۡتَهُۥۚ تَعۡلَمُ مَا فِي نَفۡسِي وَلَآ أَعۡلَمُ مَا فِينَفۡسِكَۚ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّـٰمُ ٱلۡغُيُوبِ
المدغشقرية | malagasy
Tadidio amin’ny fotoana izay hitenenan’I Allah amin’i Jesoa -AS- amin’ny andro farany nanao hoe : Oh ry Jesoa zanak’i Maria, ianao ve no niteny tamin’olona hoe : Raiso aho ary koa ny Reniko ho tompo anankiroa ankoatr’I Allah ? Ka hamaly i Jesoa hanadio sy hidera ny Tompony hanao hoe :Tsy anjarako ny hiteny amin’izy ireo afa-tsy ny fahamarinana ihany ary raha nahavita niteny izany aho dia efa fantatrao satria tsy misy zava-miafina Aminao velively. Fantatrao izay ato amiko, fa tsy fantatro kosa izay ao Aminao. Satria Ianao irery ihany no Mahafantatra ny zavatra tsy hita maso, izay miafina ary izay miharihary ihany koa.
