وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَرۡيَمَ إِذِ ٱنتَبَذَتۡ مِنۡ أَهۡلِهَا مَكَانٗا شَرۡقِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Ary lazao, ry Iraka mahafatokin’i Tompo Allah, ao amin’ny Boky masina Koroany izay nahidina Taminao ka nitondra ny vaovao mahakasika an‘ny momban’i Maria (A.s), rehefa nandao ny fianakaviany Izy, ary lasa nitokan-drery Izy teo amin’ny toerana iray teo antsinanan’izy ireo.
فَٱتَّخَذَتۡ مِن دُونِهِمۡ حِجَابٗا فَأَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡهَا رُوحَنَا فَتَمَثَّلَ لَهَا بَشَرٗا سَوِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Koa naka lamba firakotra ho Azy manokana Izy mba tsy ho hitan‘olona rehefa mivavaka amin‘ny Tompony ka nalefanay hankany Aminy i Anjely Gabriela (A.s), ary Izy tonga tamin‘ny endrikin‘ny Olombelona ara-dalàna, ary natahotra Izy sao dia maniry ny hanao ratsy Azy.
قَالَتۡ إِنِّيٓ أَعُوذُ بِٱلرَّحۡمَٰنِ مِنكَ إِن كُنتَ تَقِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Rehefa nahita Azy tamin’ny endrikin‘ny Olona ara-dalàna Izy, dia nitodika tany Aminy, dia hoy Izy niteny nanao hoe : Mitady fiarovana amin’Ilay Mpamindra Fo Aminao Aho, mba tsy hanisy ratsy Ahy Ianao, oh Ianao, raha mpivavaka sy matahotra an’i Tompo Allah Ianao. .
قَالَ إِنَّمَآ أَنَا۠ رَسُولُ رَبِّكِ لِأَهَبَ لَكِ غُلَٰمٗا زَكِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Niteny i Anjely Gabriela (A.s) : “ Tena marina fa tsy Olombelona Aho, fa Izaho dia Iraka avy amin’ny Tomponao, Izy no naniraka Ahy ho Aminao mba hanome Anao Zanaka lahy tsara sy madio.
قَالَتۡ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٞ وَلَمۡ أَكُ بَغِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Niteny i Maria (A.s) no sady nanontany tena ka nanao hoe : Ahoana no Ahafahaka ho manan-janaka nefa tsy mba misy vady na lehilahy manatona Ahy, ary tena tsy mpijangajanga Aho ka lasa ho hanan-janaka ? !
قَالَ كَذَٰلِكِ قَالَ رَبُّكِ هُوَ عَلَيَّ هَيِّنٞۖ وَلِنَجۡعَلَهُۥٓ ءَايَةٗ لِّلنَّاسِ وَرَحۡمَةٗ مِّنَّاۚ وَكَانَ أَمۡرٗا مَّقۡضِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Niteny i Anjely Gabriela (A.s) Taminy ka nanao hoe : Ny zava-misy dia araka ny voalazako fa tsy ho kasihan‘ny vady na Olon-kafa Ianao, ary tsy mpijangajanga ihany koa Ianao, fa ny Tomponao ilay avo Tsitoa dia nilaza ka nanao hoe : Mora Amiko ny mamorona Zaza tsy manan-dray, ary ny Zaza omena Anao dia famantarana ho an’ny Olona fa mahefa tokoa i Tompo Allah, ary famindram-po avy Aminay dia ho Anao sy ho an‘ireo rehetra izay mino Azy, ary izao famoronana Zanakao izao dia didin’i Tompo Allah, voasoratra ao amin’ny Solaitra lehibe izay efa voatahiry.
۞فَحَمَلَتۡهُ فَٱنتَبَذَتۡ بِهِۦ مَكَانٗا قَصِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Dia nitondra vohoka Izy, rehefa notsofin‘ilay Anjely, ka nisitaka nankany amin‘ny toerana lavitra an‘ireo Olombelona.
فَأَجَآءَهَا ٱلۡمَخَاضُ إِلَىٰ جِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ قَالَتۡ يَٰلَيۡتَنِي مِتُّ قَبۡلَ هَٰذَا وَكُنتُ نَسۡيٗا مَّنسِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Dia nihetsi-jaza izy, ka noentiny teo amin’ny vodin‘atrendry iray, dia hoy i Maria (A.s) nanao hoe : “ Maniry ny mba ho faty talohan’ity Andro ity Aho, ary tsy tokony Izaho no anto-javatra mba tsy hisy ratsy ho heverina ho Ahy.
فَنَادَىٰهَا مِن تَحۡتِهَآ أَلَّا تَحۡزَنِي قَدۡ جَعَلَ رَبُّكِ تَحۡتَكِ سَرِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Ary Mpaminany Jesosy niantso Azy avy teo ambanin’ny tongony ka nanao hoe : Aza malahelo, fa ny Tomponao efa nametraka rano ao ambaninao ho sotroinao.
وَهُزِّيٓ إِلَيۡكِ بِجِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ تُسَٰقِطۡ عَلَيۡكِ رُطَبٗا جَنِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Raiso ny vatan‘atrendry, ary hetseho Izy, dia hilatsaka Aminao ny atrendry mbola mando, vaovao, voajinja hatramin‘ny orany.
فَكُلِي وَٱشۡرَبِي وَقَرِّي عَيۡنٗاۖ فَإِمَّا تَرَيِنَّ مِنَ ٱلۡبَشَرِ أَحَدٗا فَقُولِيٓ إِنِّي نَذَرۡتُ لِلرَّحۡمَٰنِ صَوۡمٗا فَلَنۡ أُكَلِّمَٱلۡيَوۡمَ إِنسِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Koa mihinàna ny atrendry lena, sy misotroa rano, ary mifalia ny fonao amin‘ny zanakao vao teraka Ianao, ary aza malahelo, raha mahita Olona iray Ianao ka tonga manontany Anao ny momba an‘io Zaza vao teraka io, fa lazao Aminy fotsiny hoe : nandidy ny tenako ny mba hangina amin‘ny firesahana ka tsy hiteny tsy hiresaka ho an‘ny Tompoko Aho, no tsy hiresaka amin‘Olona mihintsy na dia iray Aho anio.
فَأَتَتۡ بِهِۦ قَوۡمَهَا تَحۡمِلُهُۥۖ قَالُواْ يَٰمَرۡيَمُ لَقَدۡ جِئۡتِ شَيۡـٔٗا فَرِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Koa nentin’i Maria (A.s) ho any amin’ny vahoaka izay nipoirany ny Zanany ka nitrotroiny teo Aminy ilay Zaza ka dia tsy nankasitraka Azy ireo vahoakany ka niteny tamin‘ny nanao hoe : Ry Maria (A,s) ô, tena tonga sy nitondra zavatra goavana sy raharaha lehibe izay niforonina Ianao toy ny nitondranao an‘i Zaza izay tsy manan-dray.
يَـٰٓأُخۡتَ هَٰرُونَ مَا كَانَ أَبُوكِ ٱمۡرَأَ سَوۡءٖ وَمَا كَانَتۡ أُمُّكِ بَغِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
O ry tahakan’i Harona (A.s) amin’ny fanompoam-pivavahana satria Izy izany dia anisany lehilahy marina no sady manana fitondra-tena mendrika ny Rainao tsy mba Olona mpijangajanga teo amin‘ny fiarahamonina, ary ny Reninao ihany koa dia tsy mba Olona mpijangajanga, fa Ianao dia avy amin‘ny tokantrano madio no nahafantarana Anao tokatrano manam-pahendrena ka amin‘ny fomba ahoana no hitondranao Zanaka tsy manan-dRay ? !
فَأَشَارَتۡ إِلَيۡهِۖ قَالُواْ كَيۡفَ نُكَلِّمُ مَن كَانَ فِي ٱلۡمَهۡدِ صَبِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Nanondro an’i Mpaminany Jesoa (A.s) ilay Zanany Izy, izay Zaza tena mbola teo am-pandriana kely ka hoy ireo Olona Taminy no sady talanjona ka niteny nanao hoe : Ary Ahoana no hitenenanay amin’ny Zaza lahy iray mbola kely ?
قَالَ إِنِّي عَبۡدُ ٱللَّهِ ءَاتَىٰنِيَ ٱلۡكِتَٰبَ وَجَعَلَنِي نَبِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Niteny i Mpaminany Jesosy (A.s) ka nanao hoe : Izaho dia mpanompon‘i Tompo Allah, Izy no nanome Ahy Boky Evanjely mitory ny Filazantsara ary Izy no nanao Ahy ho anisan‘ireo Mpaminany.
وَجَعَلَنِي مُبَارَكًا أَيۡنَ مَا كُنتُ وَأَوۡصَٰنِي بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱلزَّكَوٰةِ مَا دُمۡتُ حَيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Nataony Tompo Allah ho feno tombontsoa lehibe ho an’ireo mpanompo na aiza na aiza ny toerana misy Ahy, ary nandidy Ahy Izy mba hitsangana hanao ny vavaka sy ny fanompom-pivavahana Soalat sy ny hanome ny amin‘ny famoahana ny harena amin‘ny alalan‘ny Zakat mandritra ny Androm-piainako avokoa.
وَبَرَّۢا بِوَٰلِدَتِي وَلَمۡ يَجۡعَلۡنِي جَبَّارٗا شَقِيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Nataony hendry amin’ny Reniko Aho, ary tsy nanao Ahy ho mpiavonavona amin’ny fankatoavana ny Tompoko, ary tsy anisany Olona mpikomy Aho no sady tsy anisan‘Olona tsy mankato Azy.
وَٱلسَّلَٰمُ عَلَيَّ يَوۡمَ وُلِدتُّ وَيَوۡمَ أَمُوتُ وَيَوۡمَ أُبۡعَثُ حَيّٗا
المدغشقرية | malagasy
Ary fiarovana tanteraka amin’i Satana sy amin‘ireo mpanampy Azy amin’ny Andro izay nahaterahako sy amin‘ny Andro izay ahafatesako, ary amin‘ny Andro izay hitsanganako amin’ny maty amin’ny Andro farany, amin‘ny Andro fitsanganana amin’ny maty, ka tsy nampisavoritaka Ahy i Satana tao anatin’ireo toe-javatra telo manirery ireo.
ذَٰلِكَ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَۖ قَوۡلَ ٱلۡحَقِّ ٱلَّذِي فِيهِ يَمۡتَرُونَ
المدغشقرية | malagasy
Izany i Mpaminany Jesoa (A.s) Zanakin‘i Maria (A.s) no voalaza fa manana ireo toetra ireo ary io resaka io no resaka tena marina indrindra ny resaka momba Azy fa tsy izay lazain‘ireo Olona diso lalana ny momba Azy sy izay tsy mitovy hevitra Aminy.
مَا كَانَ لِلَّهِ أَن يَتَّخِذَ مِن وَلَدٖۖ سُبۡحَٰنَهُۥٓۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرٗا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
المدغشقرية | malagasy
Tsy mendrika ho an‘i Tompo Allah ny handray hanaka velively ka hataony ho Azy Izy dia masina sy manambonahitra ary tena manalavitra izany tokoa Izy, fa raha misy zavatra tiany, dia mahaampy ho Azy sy ny voninahitrany ny hiteny amin’izany zavatra izany amin‘ny fomba tsotra no sady mora hoe : ( Misia ) dia lasa tsy maintsy hisy tokoa izany zavatra izany ary tsy maintsy tanteraka, ka raha izany ary ny zava misy dia tena manalavitra Azy ny haniry ny ho hananjanaka izany.
